Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Fahafoizana, Fahoriana, Sakrifisy sy, Fahafatesana
Fahafoizana, Fahoriana, Sakrifisy sy, Fahafatesana
Fahafoizana, Fahoriana, Sakrifisy sy, Fahafatesana
Ebook201 pages2 hours

Fahafoizana, Fahoriana, Sakrifisy sy, Fahafatesana

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Eo amban’ny fanerena te hampifaly sy hampatalanjona ny vahoaka amin’ ny vaovao tsara ireo pastera. Io tsindrin’ ny olona io no miteraka fanodikodinana ny tenin’ I Kristy mandrapahasarotra ny hamantararana ny hafatry ny hazofijaliana. Ankehitriny, miverina amin’ ny fahamarinana fototra amin’ny maha Kristiana isika ka tsy maintsy “manary” isika mba “hahazo” an’I Kristy. Hiverina amin’ ny fiangonana ny hery raha mitory isika fa tsy maintsy manao sorona, miaritra fahoriana sy maty ho an’I Kristy. Ny herin’ ny tenin’I Kristy dia tsy ho voafafan’ iza n’iza na toy inona na toy inona fahombiazany na toy inona heriny.

LanguageMalagasy
Release dateJul 28, 2016
ISBN9781613953648
Fahafoizana, Fahoriana, Sakrifisy sy, Fahafatesana
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Fahafoizana, Fahoriana, Sakrifisy sy, Fahafatesana

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Fahafoizana, Fahoriana, Sakrifisy sy, Fahafatesana - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Ireo fanendrena efatra ara-panahy

    Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.

    Lioka 14:26

    Tsy mora ny manaraka an’i Jesosy. Ny miaina ho an’i Jesosy dia tsy mora. Aza mino izay mampiseho aminao hevitra diso mikasika ny amin’ny maha-Kristiana na iza na iza. Ny maha-Kristiana dia miompana tanteraka amin’ny fanarahana an’i Jesosy Kristy sy ny fahatongavana tahaka an’i kristy!

    Ny amin’ireo zavatra nambaran’i Jesosy ny amin’ny ahatongavana ho mpianany, tahaka ny hoe tsy misy tiany hanaraka Azy. Nampitandrina ireo izay niezaka ny hanaraka Azy Izy ny amin’ireo zava-doza ateraky ny fanatonana Azy.

    Nampitandrina antsika i Jesosy

    Hoy Izy: raha hanaraka ahy ianao dia tsy maintsy mankahala ny ray aman-dreninao, ny fianakavianao ary ny tenanao . (Lioka 14:26)

    Hoy Izy tamin’ny lehilahy mpanan-karena iray izay naniry hiaraka taminy: tsy maintsy hamidinao avokoa izay rehetra anananao raha te hanaraka ahy ianao. (Matio 19:21)

    Niteny ihany koa Izy hoe, raha hanaraka ahy ianao dia tsy hanana na aiza na aiza hipetrahana satria Izaho tsy manana trano akory izay ananan’ny amboadia sy ny voro-manidina. (Lioka 9:58)

    Hoy Izy: tsy afaka manao veloma ny fianakavianao ianao raha tena te hanaraka ahy.(Lioka 9:61)

    Hoy Izy tamin’ny olona iray izay maty ray aman-dreny, tsy afaka manatrika ny fandevenana ny rainao ianao raha tena te-ho mpianatro. (Lioka 9:59).

    Mitovy ny lasitra napetrak’I Jesosy ho an’ny rehetra

    Hita mazava, tsy nieritreritra hampamora zavatra na ho an’iza na ho an’iza Jesosy. Tsy nampidina ny mari-drefy na ho an’iza na ho an’iza mihitsy izy. Tsy nanome fikarakarana manokana na ho an’iza na ho an’iza mihitsy izy. Fantany fa nanasa antsika ho amin’ny tombon-tsoa lehibe indrindra izay azo nomena ny olombelona Izy. Ny tombon-tsoan’ny ho voavonjin’ny ràn’i Jesosy, ny tombon-tsoan’ny hahafantatra an’Andriamanitra ary ny tombon-tsoan’ny ho any an-danitra!

    Ireo fampitandremana nataon’i Jesosy Kristy dia tsy nanakivy ireo an-tapitrisany izay namaly tsotra fotsiny ny fitiavany lehibe. An-tapitrisany no tia an’i Jesosy Kristy na dia teo aza ireo fepetra sarotra izay napetrany ny amin’ny fanarahana Azy.

    Izany hoe, ny fahafantarana ilay Andriamanitra velona sy ny zanany Jesosy Kristy dia ampy ho famenoana ireo fahasarotana rehetra izay tsy maintsy holalovantsika.

    Aza mihaino olona izay milaza fa ny fanarahana an’i Jesosy dia mikasika ny hoe voatahy, manan-karena ary mahomby fotsiny. Tsy finoana krisitiana izany! Ny maha-Kristiana dia fahafoizana, sakrifisy, fijaliana ary fahafatesana.

    Ireo zava-tsarotra sy fahasarotana rehetra izay ho hitan’ny Kristiana rehetra dia afaka ho sokajiana ho fizarana efatra lehibe: fahafoizana, sakrifisy, fijaliana ary fahafatesana.

    Ireo no fanendrena efatra izay tsy maintsy andrasan’ny Kristiana rehetra na amin’ny endrika ahoana na ahoana. Tsy misy olona izay tena manaraka an’I Jesosy Kristy ka ho afa-miala amin’ireo fanendrena efatra ireo.

    Aza miraharaha ireo izay milaza aminao zavatra hafa! Mikitikitika ny sofinao mangidihidy fotsiny izy. Na amin’ny fomba ahoana, na endrika ahoana, na angamba mety hoe amin’ny anarana hafa, dia hihaina ny hazo fijalian’i Jesosy Kristy ianao raha tena mpianany.

    Ny fanendrena efatra ho hitantsika dia ny fahafoizana, sakrifisy, fijaliana ary fahafatesana. Ara-Baiboly ve ireo fanendrena ireo? Eny, ireo andinin-tsoratra masina eo ambany dia mampiseho amintsika fa efa voatendry hahafoy, hijaly, hanao sakrifisy ary ho faty noho ny amin’ny finoantsika sy ny antsontsika ary ireo anjara ara-panahy voatendry ho antsika isika.

    Ity boky ity dia mampiseho ny mahamarina ireo fihaonana ireo. Tsy ratsy araka izay mety eritreretinao ilay izy fa hivadika ho fitahiana any amin’ny farany. Mariho fa ireo andinin-tsoratra masina eo ambony ireo dia mampiseho mazava ireo fanendrena ho antsika rehetra ireo.

    1. Ny fanendrena ho amin’ny fatiantoka sy ny fahafoizana

    Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia HAHAVERY azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.

    Matio 16:25

    Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko FATIANTOKA kosa noho ny amin’i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho FATIANTOKA avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny FATIANTOKA ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy

    Filipiana 3:7-8

    Noho ny amin’I Kristy dia handalo ny fanendrena ho amin’ny fatiantoka sy ny fahafoizana ianao. Midika zavatra lehibe izany ho an’ny rehetra izay manisy eritreritra momba izany.

    a. Ny fatiantoka dia midika fa hisy karazan-javatra izay tsy ho anananao. Mety kely na tsy hisy mihitsy aza ny ahafahanao mahita ny fiverenan’ireo fanananao very.

    b. Ny fatiantoka dia midika fa hijaly ianao noho ny tsy fahafahanao mahazo karazan-javatra sasany

    c. Ny fatiantoka dia midika fa hisy karazan-javatra sasany tsy ho azonao hazonina na hotahirizina mihitsy eo amin’ny fiainana.

    d. Ny fatiantoka dia midika fa hisy karazan-javatra sasany izay hafoinao sy hovoadidy fa tsy hananao mihitsy.

    2. Ny fanendrena ho amin’ny fijaliana

    Noho ny amin’i Kristy dia hisedra fanendrena ho amin’ny fijaliana ianao. Midika zavatra lehibe izany ho an’izay rehetra mikaroka ny amin’ny dikan’ny hoe fijaliana. Aza miraharaha ireo olona izay tsy mampiditra ny foto-kevitry ny fijaliana ao amin’ny fandehanany amin’ny finoana. Ireo lehilahy lehiben’ny finoana rehetra dia nijaly satria nino an’Andriamanitra izy.

    a. Ny fijaliana dia midika fa iharan’ny fanaintainana, fangejana, fatiantoka, ratra na zavatra tsy mahafinaritra ianao.

    b. Ny fijaliana dia midika fa handalo fahoriana, fampahoriana, fahasarotana sy zavatra maha-fadiranovana ianao amin’ny fiainana.

    c. Ny fijaliana dia midika fa handalo olana, tsy fahazahoana aina sy fahasarotana ianao.

    d. Ny fijaliana dia midika fa hiharana fampahoriana ara-tsaina sy ara-batana be ary handalo fahoriana ianao.

    Fa ianareo efa nomena noho ny an’i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny HIHARAM-PAHORIANA koa noho ny aminy, dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.

    Filipiana 1:29-30

    Ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon’Andriamanitra amin’ny filazantsaran’i Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin’ny finoanareo,

    mba tsy hisy ho taitra amin’izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho AMIN’IZAO NO NANENDRENA ANTSIKA.

    Fa fony teo aminareo aza izahay, dia NILAZA TAMINAREO RAHATEO FA TSY MAINTSY HAMPAHORIANA ISIKA, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo.

    Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.

    1 Tesaloniana 3:2-5

    Nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy HO AMIN’NY FAHORIANA BE NO IDIRANTSIKA AMIN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA.

    Asan’ny Apostoly 14:22

    3. Ny fanendrena anao miaraka amin’ny sakrifisy

    Noho ny amin’i Kristy dia handalo ny fanendrena miaraka amin’ny sakrifisy ianao. Midika zavatra lehibe izany ho an’ny rehetra izay mikaroka ny dikan’ny sakrifisy. Azafady, aza mba mihaino ireo Kristiana izay tsy mitory ny sakrifisy izay tsy maintsy ataontsika amin’ny maha-Kristiana antsika. Ny fahafoizana dia zavatra anisan’ny iray amin’ny finoana izay misy antsika.

    a. Ny manao sakrifisy dia midika fanoloranao ireo fanananao ara-materialy ho an’Andriamanitra ho fiankohofanao Aminy.

    b. Ny manao sakrifisy dia midika fa hanolotra zavatra lafo vidy na be mpaniry ianao noho ny fikatsahana zavatra lehibe kokoa.

    c. Ny manao sakrifisy dia midika fa avelanao hisy ny fandratrana sy ny fahavoazana noho ny amin’ny zavatra hafa.

    d. Ny manao sakrifisy dia midika fa manome ny fanananao ianao nefa fantatrao fa tsy mahazo tombony mihitsy ianao.

    Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho FANATITRA velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.

    Romana 12:1

    Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.

    Hebreo 13:15

    4. Ny fanendrena amin’ny fahafatesana

    Noho ny amin’i Kristy dia handalo ny fanendrena miaraka amin’ny fahafatesana ianao. Ny filazana fa ho faty ny olona iray dia midika zavatra lehibe. Izay no nahatonga an’i Jesosy nilaza antsika mba handray ny hazo fijaliantsika ary hanaraka Azy.

    a. Ny ho faty dia midika fa mitsahatra ny fisianao sy ny fahafahanao manao zavatra.

    b. Ny ho faty dia midika fa very hery sy tanjaka ianao.

    c. Ny ho faty dia midika fa miha-tsy hita sy manjavona tsikelikely ianao.

    d. Ny ho faty dia midika fa natsahatra mandrakizay ianao.

    Ary hoy koa Jesosy tamin’izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny HAZO FIJALIANY isan’andro ka hanaraka Ahy.

    Lioka 9:23

    VOAHOMBO MIARAKA AMIN’I KRISTY AMIN’NY HAZO FIJALIANA AHO, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.

    Galatiana 2:20

    Lazaiko marina, ry rahalahy, amin’ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika, FA MATY ISAN’ANDRO AHO.

    1 Korintiana 15:31

    Fizarana 1

    FAHAFOIZANA

    Toko 2

    Ny Fomba Fiharetana Fatiantoka noho i Kristy

    Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny FATIANTOKA ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy;

    Filipiana 3:8

    Tsy maintsy manaiky ny ho very ny zavatra rehetra ianao noho ny amin’i Jesosy Kristy tahaka ny nataon’i Paoly. Paoly dia nijaly tamin’ny fahaverezana zavatra maro. Rehefa tsy mety ho maty antoka ianao dia tsy afaka ny ahazo tombony. Ny mpianatra roa ambin’ny folon’i Jesosy dia nahafoy ny zavatra rehetra satria nanaraka an’i Jesosy. Nahafoy ny zavatra rehetra izy ireo! Nahafoy ny asany, ny ankohonany sy ny namany izy mba hanarahany an’i Jesosy. Tena fatiantoka lehibe ho azy ireo manokana izany. Tsy afaka hanaraka an’i Jesosy izany ianao raha mbola tsy vonona ny ho very zavatra.

    Ary hoy Petera taminy: Indro, IZAHAY EFA NAHAFOY NY ZAVATRA REHETRA ka nanaraka Anao.

    Marka 10:28

    Ny asa fanompoanao dia voafetran’izay zavatra hazoninao. Raha mitondra zavatra ianao sady mihazakazaka, dia tsy afaka handeha mafy tsara. Andriamanitra dia miandry antsika hamela zavatra any aoriana ary hanaraka Azy. Mety ho tsy maintsy ahafoy ny torimasontsika, ny finamanantsika, ny fahitalavitra, ny hoavintsika ary ny asantsika isika mba hanarahana an’i Jesosy.

    Tsy Maintsy Mahafoy ny Volanao Ianao

    Ny fidirana ao amin’ny asa fanompoana dia midika ho fahaverezam-bola. Ho very vola ianao rehefa miditra ao amin’ny asa fanompoana. Maro ny mpitandrina tsy mahalala fa tsy maintsy hanome ny volany ho an’ny asa fanompoana ihany izy. Mazava ho azy, tsy afaka hanao izany ianao raha tsy miavaka amin’ny volam-piangonana ny volanao.

    Zava-dehibe ny fiavahan’ny fanananao amin’ny fananan’ny fiangonana. Raha tsy mazava io fiavahana io, ho votsotra amin’ny fitahian’ny avy amin’ny fanomezana ianao. Tsy manana na inona na inona omena ianao satria izay rehetra anananao dia fananan’ny fiangonana. Ary ahoana no ahafahanao manome zavatra ho an’ny fiangonana izay efa azy?

    Tsy Maintsy Mahafoy ny Zavatra Mampilamina sy Mampahazo Aina Anao Ianao

    Raha tsy mahafoy ny fotoananao malalaka mba hiarahana amin’ny Tompo ianao, dia tsy tena hahita vokatra. Maro ny mpanompon’Andriamanitra izay manam-potoana ho amin’ny zavatra rehetra ankoatra ny ho an’ny Tompo. Manana fotoana ho an’ny fahitalavitra, fifandraisana tsy misy ilàna azy, solosaina, fandraharahana ary fanatanjahan-tena nefa tsy manam-potoana ho amin’ny fifandraisana akaiky amin’ny Tompo. Ny asa fanompoanao dia fitaratra ny amin’ny fotoananao manokana miaraka amin’ny Tompo.

    Misy zavatra maro ao amin’ny asa fanompoana izay mety hanala ny zavatra mampahazo aina anao. Raha tsy mivonona amin’ny fahafoizana ireo zavatra kely amin’ny fiainana ianao, dia mety tsy hahafoy be dia be ao amin’ny asa fanompoana.

    Ny fifikiranao amin’ny zavatra mampahazo aina anao eto amin’ity tany ity dia mety ho antony mahatonga anao tsy afaka handroso ao amin’ny asa fanompoana. Tokony « Hisaina ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany. » (Kolosiana 3:2) ianao. Rehefa miraikitra amin’ny zavatra any ambony ny fonao dia tsy ho sarotiny be amin’ny zavatra ety an-tany ianao.

    Indray alina, dia nijanona teo amin’ny ranomasim-be pasifika tany amin’ny tany vahiny aho. Nisy sambo lehibe sady lafo vidin’ireo mpanefoefo teo anoloako. Nitodika tamin’ireo Kristiana izay niara-nandeha tamiko aho ary nilaza hoe te-hanana ny samboko aho any an-danitra. Nihomehy ahy ny iray tamin’izy ireo ka niteny hoe, tsia, te-hanana ny ahy ety aho. Io resaka kely io dia maneho ny fisainana roa amin’ny maha-Kristiana ankehitriny. Ny ankamaroan’ny Kristiana dia te hanana ny zavatra mampahazo aina azy ety, nefa ny ankavitsiany dia te-hanana ny azy any an-danitra.

    Tsy mitondra ny fiara izay tena tiako entina aho. Marina tokoa fa mbola tsy nitondra ny fiara izay tena tiako nentina aho. Fantatro fa ny fiara izay tsara sy mahafinaritra indrindra nefa manao izay azoko atao aho noho ny amin’ny asa fanompoana.

    Nefa tsy

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1