Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Fahaiza-manao Amin’ny Asa Fanompoana
Fahaiza-manao Amin’ny Asa Fanompoana
Fahaiza-manao Amin’ny Asa Fanompoana
Ebook252 pages2 hours

Fahaiza-manao Amin’ny Asa Fanompoana

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Ny hoe mampandroso fahaizana dia mampandroso fahaiza-manao na paik’ ady. Ny Baiboly dia milaza fa ny fiarovana dia ho an’ ny olon hendry. Ny asa ao amin’ ny asa fanompoana dia mitaky fahaiza-manao goavana. Tena loharano ilaina tanteraka ity boky “Fahaizana Manao Ministera” ity ho an’ireo rehetra maniry ny anao ny asan’ ny ministera. Manolotra mazava tsara ny fieritreretana mety sy ny tsy mety mikasika ny ministera, ny asa hita ao amin’ny ministera, ny zavatra takiana aminao amin’ ny maha mpiasa anao ao amin’ ny ministera sy ny fomba fanaovana ny raharaha ao amin’ ny ministera. Efa nametra-panontaniana mikasika ny asanao ao amin’ ny ministera ve ianao?Hametraka fanamby anao ity boky nosoratan’ i Dag Heward-Mills ity handehananao mendrika ny antson’ Andriamanitra sy hitarika anao hanome ny tenanao manontolo amin’ny asan’ ny ministera.

LanguageMalagasy
Release dateJun 14, 2018
ISBN9781613958223
Fahaiza-manao Amin’ny Asa Fanompoana
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Fahaiza-manao Amin’ny Asa Fanompoana

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Fahaiza-manao Amin’ny Asa Fanompoana - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Ny Fanomezana sy ny Fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy Hanenenana

    Ny Antso Voalohany

    Ary tonga tamin’ny Jona zanak’i Amitahy ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin’ny hamelezana azy fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.

    Jona 1:1-2

    Ny Antso Faharoa

    Ary tonga fanindroany tamin’i Jona ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny toriteny izay nandidiako anao.

    Jona 3:1-2

    Andriamanitry ny famindram-po Andriamanitra! Omeny fahafahana (chance) faharoa ianaomba hankatoa Azy. Ohatra anankiray amin’ny olona nanana faharoa i Jona mba handré sy hankatoa. Matetika dia fahafahana tokana ihany no ananantsika!

    Ilay Andriamanitry ny Fahafahana (chance) Faharoa

    Mety hoe irin’Andriamanitra hatrany ianao hiasa ao am-piangonana ary izay no antony namoronany anao. Mety efa nitsoaka ny antson’Andriamanitra ihany koa ianao. Nefa miteny aminao indray Andriamanitra. In-droa no nitenenan’Andriamanitra tamin’i Jona. Nànana fahatsapana maro i Jona teo anelanelan’ny antso voalohany sy ny antso faharoa. Niaina ny tafiotry ny fiainana sy ny gadra tao an-kibon’ny hazandrano izy. Mety hoe ao aorian’ny traikefa mafy maro vao vonona hihaino an’ Andriamanitra ianao.

    Mety hoe amin’ny ianao mihazona ity boky ity izao dia omen’Andriamanitra fahafahana faharoa ianao mba hiasa ao an-tranony. Izao no fotoana iarahana amin’ny tafika ho amin’ny ady farany.

    Tsy misy Fiovana amin’ny Antso

    Ho hitanao fa ilay antso voalohany sy ilay antso faharoa dia mitovy ihany. Nirahina ho amin’ny tanàna mitovy (Ninive) sy hitondra hafatra mitovy ihany i Jona na tamin’ny antso volahany na tamin’ny faharoa. Ny fanomezana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy misy hanenenana (Romana 11:29).

    Tsy manova ny sainy miaraka amin’ny fandehanan’ny fotoana Andriamanitra. Na dia efa nahatsapa fanaintainan’ny tafiotra sy ny kibon’ny hazandrano aza ianao dia minoa fa mbola afaka mampiasa anao Izy. Mety hoe folo taona no efa lasa hatramin’ny niantsoan’Andriamanitra anao tamin’ny voalohany. Tsy tara loatra izao raha hankatoa Azy. Faly aho ary manompo an’Andriamanitra izay tsy manova ny sainy mihitsy.

    Ny fanekena ny antson’Andriamanitra dia manaiky ny hanamboarana anao ho toy ny ilay tsy ianaoakory. Nanamboatra an’i Petera tamin’izay tsy mbola nisy azy i Jesosy – mpanjono olona!

    Tsy hoe fandraisana anjara lehibe ny manao ny asa fanompoana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy misy na inona na inona miankina aminao ary tsy misy na inona na inona potika raha minia tsy miraharaha ny asa fanompoana ianao. Azo soloina sy ovaina isika rehetra.

    Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa manaiky ny marina kosa.

    2 Korintiana 13:8

    Mampianatra antsika io Soratra Masina io fa tsy afaka manohitra ny marina amin’ny Tenin’Andriamanitra mihitsy isika. Tsy afaka manohitra ny fahamarinan’ny Filazantsara ny fahadisoana lehibe ataontsika. Tsy manova ny tafik’Andriamanitra mpandresy ny fahalehibeazan’ny tsy firaharahianao ny antso. Tombontsoa lehibe ho anay ny niantsoana anao amin’izao asa izao. Haja ho anay ny tafiditra amin’izao asa izao. Fotoana izao hitsaharanao amin’ny fieritreretana fa hanao zavatra tsy mahazatra ho an’Andriamanitra ianao.

    Ny hoe ao amin’ny ministera dia traikefa feno fanetre-tena izay ianaranao ny momba an’Andriamanitra ary handraisanao famindrampo. Notenenin’i Jesosy ireo mpianany mba hanaraka Azy ary amboarina ho hafa mihitsy.

    Ao amin’ny asa fanompoana matihanina, amboarin’Andriamanitra ho fantsona azo ampiasaina ianao.

    Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, FA HATAOKO tonga mpanarato olona ianareo.

    Marka 1:17

    Ovaina amin’ny alàlan’ny fanavaozanao ny sainao ianao sy amin’ny alàlan’ireo traikefa mampanetri-tena marobe miandry anao amin’ny asa ministera matihanina. Ny ministera matihanina no fiandohan’ny dia na làlana mitondra anao ho akaiky kokoa amin’Andriamanitra. Izany no manova anao ary manamboatra anao ho olon’ny fanetre-tena. Ny natiora lehibe amin’izao asa atao tsinontsinona izao sy ny tsy fitoviana amin’ny kristiana hafa amin’izao ministera izao no hanova anao ary hahatonga anao ho olona tsara kokoa! Ary koa ny tsy fitoviana amin’ny ankilany izay tsy mahatakatra ny atao hoe ministera matihanina no hitarika anao lalindalina kokoa ao amin’Andriamanitra.

    Inona kosa no tsy Ministera Matihanina

    Ny hoe ao amin’ny ministera matihanina dia rehefa ataon’i Jesosy ho mpanarato olona ianao. Ny hoe omena tambikarama dia tsy midika hoe mpanao asa fanompoana matihanina ianao.

    Ny hoe mamindra ny loharanon’ny karamanao avy amin’ny banky ho amin’ny fiangonana dia tsy midika hoe ao amin’ny ministera matihanina ianao.

    Ny atao hoe ministera matihanina dia maharakotra ny dingana anarahanao tanteraka ny Tompo. Midika zavatra be dia be ny fanarahanao Azy ary ao anatin’izany ireto teboka sasany voatanisa eto ambany ireto.

    Tsy asa tsotra ny ministera matihanina. Fanokanan-tena amin’ny androm-piainana rehetra izany. Mitelina ny maha-ianao anao rehetra izany ary ho voaova amin’ny alàlan’ny herin’Andriamanitra ianao.

    Tsy misy amin’ny iray amin’ireto mihitsy ny ministera matihanina:

    Tsy safidy amin’izay hahazoana aina amin’ny asa ny ministera matihanina.

    Tsy safidy amin’ny asa tsotra indrindra ny ministera matihanina.

    Tsy planina fisotroan-dronono ho an’ny zokinjokiny ny asa fanompoana matihanina

    Tsy lamina famindrana mpiasa ny ministera matihanina.

    Tsy toerana fialokalofana ho an’ireo renin’ny ankizy madinika ny ministera matihanina.

    Tsy faniriana amin’ny minitra farany mialohan’ny fahafatesana ho an’ny olona izay nandany ny taonany tamin’ny fanaovana zavatra hafa ny ministera matihanina.

    Tsy planina fiafenana amin’ny fandraharahana ny ministera matihanina. Misy ny olona sasany mampiasa ny ministera matihanina ho fahazoana antoka mitohy amin’ny karama nefa ry zareo sady manao ny fandraharahany ihany any ambadika. Rehefa fandraharahana dia fandraharahana ary rehefa ministera dia ministera!

    Tsy hetsika na zavatra atao ho an’ny olona tsy eo amin’ny sehatry ny asa ny Ministera.

    Tsy fanosehana ho an’ny olona manana ambompo ho an’ny zavatr’izao tontolo izao ny Ministera

    Tsy rafitra fahazoan’aina amin’ny fahantrana ny ministera matihanina. Matetika dia tsara kokoa ny ara-bola ao amin’ny asa fanompoana.

    Tsy fanovana ny asanao avy amin’ity tontolo ity ho amin’ny fiangonana ny ministera matihanina. Ny hoe maha-mpikarakara ny resaka ara-bola teo amin’ity izao tontolo izao ity dia tsy midika hoe tsy maintsy mpikarakara ny ara-bola ihany koa ianao ao am-piangonana.

    Tsy hoe fiovan’ny loharanom-bolanao fotsiny ny ministera matihanina.

    Tsy asa amin’ny fotoana fialan-tsasatra ny ministera matihanina. Tsy zavatra ataon’ny mpianatra rehefa miala sasatra ny ministera matihanina.

    Fiheverana na hoe hevi-diso momba ny Ministera Matihanina

    Misy rafitra fiheverana mahazatra izay mandringana ny olona amin’ny karazana trangan-javatra isan-karazany. Ny olona ao amin’ny ministera matihanina dia tsy mitsitsy amin’ny fizarany ny heviny. Ny sasany amin’ireo fiheverana izay mampahory ny mpanao asa fanompoana matihanina ireo dia:

    1. Satria izaho amin’ny ministera matihanina, dia miavaka aho izany.

    2. Satria izaho amin’ny ministera matihanina dia hahazo karama tsara aho.

    3. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia izaho no ambony indrindra amin’ny dingana ara-panahy ary tsy misy ambaratonga ara-panahy ilaina intsony.

    4. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia izaho no tsara lavitra noho ny mpanao asa fanompoana hafa.

    5. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia andeha ho any amin’ny firenena hafa aho.

    6. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia ho manana trano lehibe.

    7. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia hahazo fiara.

    8. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia hanan-karena.

    9. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia ho lasa ara-panahy.

    10. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia hanana fanambadiana sy ankohonana tsara.

    11. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia manana fotoana maro ivavahana, hiankohofana ary hianarana ny Teny.

    12. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia mankasitraka indrindra Andriamanitra.

    13. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia andeha amin’ny fitiavana.

    14. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia ho tsotra ny fitsarana ahy.

    15. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia voahosotra sy voaaro.

    16. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia mandeha tsara ny ataon’ny zanako.

    17. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia ho any an-danitra amin’ny fomba rehetra aho.

    18. Satria izaho amin’ny asa fanompoana matihanina dia azo itokiana.

    Tsy tena marina avokoa ireo zavatra voatanisa eo ambony ireo. Mety marina izy ireo nefa ny ankamaroan’izy ireo dia mety tsy ho marina aminao. Ary tena marina fa zavatra tsy mitranga ho azy izy ireo.Tsy maintsy mitady an’Andriamanitra amin’ny asa fanompoana matihanina ianao mba hampitranga ny planiny rehetra.

    Toko 2

    Ny fahasamihafan’ny Asan’izao tontolo izao sy ny Asa amin’ny Ministera

    Misy ny fahasamihafana

    Nefa dia ho lasa andevo tokoa izy ireo mba ahafahany MIANATRA NY FAHASAMIHAFAN’NY fanompoana Ahy sy ny fanompoana ny fanjakana amin’ny firenen-kafa.

    2 Tantara 12:8

    Rehefa nanohitra an’Andriamanitra i Rehoboama dia nitondra hafatra masiaka ho azy ny mpaminany. Nambarany taminy fa ho hitany ny fahasamihafana amin’ny miasa ho an’Andriamanitra sy ny miasa ho an’ny firenena eto amin’izao tontolo izao.

    Samihafa ny miasa ho an’Andriamanitra sy ny miasa ho an’izao tontolo izao. Ny manangona harena amin’ity izao tontolo izao efa miha-matroka ity dia tsy azo ampitahaina amin’ny fiantsoana avo avy amin’Andriamanitra.

    Ny manangana tanàna mandrakizay miaraka amin’ny fototra tena izy no tombotsoa ambony indrindra ho an’ny olona mety maty.Ny ankamaroan’ny olona dia manangana zavatra mandalo ihany izay tsy manana ho avy akory.Ny olona tsotra dia manangana tranobe amin’ny fasika izay tsy maharitra akory.

    Iza moa i Farao?

    Farao dia karazana Satana. Egypta dia karazan’izao tontolo izao ary ny Israely dia karazana" vahoakan’Andriamanitra. Nampahory ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny asa fanompoana mafy i Farao ary nampanangana azy tanàna feno harena. Izany dia maneho mazava ny asan’izao tontolo izao ankehitriny.

    Ny ankamaroan’ny fotoana amin’ity tontolo ity dia fandaniana amin’ny fananganana tanàna ho an’ity tontolo ity. Mandram-pahafaty sy andehanantsika, nanampy fotsiny isika ireo trano avo lehibe mahafinaritra eny amin’ny faritry ny habakabak’ity izao tontolo izao ity.

    Tena mafy tokoa ny asa eto amin’ity tontolo ity, mavesatra sy feno fitsembohana. Natao hiasa mafy isika ary miasa mafy tsy mahalala akory hoe manangana tanàna sy harena ho an’ity tontolo ity. Ny tanànan’ny New York, Paris, Londre, Accra, Lagos ary Nairobi dia natsangana tamin’ny fitsembohana tamin’ny asa mafy nataon’ny olombelona.

    Ireo olona ireo dia efa maty ary efa lasa nefa kosa ny harena amin’ilay tanàna dia mbola mitoetra foana. Ny fiainan’izy ireo angamba dia atao hoe voafintina amin’ny fandraisany anjara tamin’ny fampandrosoana ny tanàna feno harena an’izao tontolo. Saino izao, niteny tamin’i Jesosy i Satana rehefa naneho Azy ny firenena eto amin’izao tontolo izao:

    Omeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy.

    Lioka 4:6

    Maneho amintsika izany fa Satana no mampiasa fahefana amin’ny tanàna rehetra eto amin’ity tontolo ity. Ny devoly no andriamanitr’ity tontolo ity (2 Korintiana 4:4). Satana no manome asa mafy tokoa ny zanak’olombelona ary mitarika azy ireo mba hanangana tanàna ho an’ity tontolo ity.

    Miaraka tsotra izao amin’ny tafiky ny mpanangana sy manana fandraisana anjara amin’ny fananganana ireo tanàna feno harena ireo ny kristiana.

    Ary nisy mpanjaka vaovao nitsangana tany Egypta, izay tsy nahalala an’i Josefa. Ary izy niteny tamin’ny vahoakany hoe: Indro ny firenen’ny Zanak’Isiraely efa maro sy maery noo isika; Andeha hanaovantsika hevitra am-pahendrena izy ireo, fandrao hihamaro izy ka izao no hiseho, raha tahiny hisy ady dia homba ny fahavalontsika koa izy ka heady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin’ny tany.

    Koa nanendry mpifehy izy mba hampahory azy amin’ny fanompoana mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an’i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.

    Nefa arakaraka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak’Isiraely indrindra ny Egyptiana.

    Dia nampanompoin’ny Egyptiana fatratra ny Zanak’Isiraely:

    Eksodosy 1:8-13

    Tsy hafa fa tahaka ny Farao nifehy an’i Egypta, Satana no mifehy ny tontolo sy ny tanàna rehetra. Izany no anton’ny fitomboan’ny fahaverezan-kevitra eto amin’ity izao tontolo izao ity.

    Rehefa miasa ao anatin’ny toerana mikirakira ny ara-bola, banky sy ireo fikambanana hafa amin’ity tontolo ity ianao, dia afaka ampitahaina amin’ny Isiraelita niasa ho an’i Farao; tena betsaka ny fahamafisana, ny hatsembohana amin’ny fananganana ny tranobe fasika.

    Nangataka i Mosesy mba hahafahana ny olon’ny Isiraely mba ahafahan-dry zareo manompo an’Andriamanitra. Na iza na iza maniry ho ao amin’ny ministera matihanina dia mitaky fiaingana na fialana amin’ny rafitr’ity izao tontolo izao ity. Fanompoana ny Tompo ny ministera matihanina! Tahaka ny hoe miala avy any Egypta ho any amin’ny tany hay mba hanao sorona ho an’i Jehovah ary hanangana ny tabernakeliny!

    Irin’Andriamanitra ny olony mba handany ny fotoanany amin’ny fananganana ny tabernakeliny sy fiankohofana Aminy.

    Marina tokoa, tsy mora ny miala amin’ny rafitr’ity tontolo ity. Tsy mora ho an’i Mosesy sy ny Zanak’Isiraely ny niala an’ny Egypta. Tamin’ny alàlan’ny fanapahan-kevitra hiady hatramin’ny farany irery ihany no nahafahan’ny olon’Andriamanitra afaka tamin’i Farao.

    Ry namana, tsy mora aminao ny ho hiala amin’ny asa mahazatra. Raha mitranga izany dia ho amin’ny alàlan’ny fiezahana be dia be.

    Dingana Efatra Ahafahana Miala amin’i Farao

    Ary izao no niseho, raha SAIKA TSY HAMELA ANAY HANDEHA I FARAO...

    Eksodosy 13:15

    Tsy nankasitraka ny fahafahan’ny Zanak’Isiraely i Farao. Misy dingana efatra izay mety andalovan’ny kristiana rehetra mba ahafahana mahavita ny ministera matihanina. Tsy maintsy manaiky ny tsirairay amin’ireo trangan-javatra ireo ianao rehefa miseho izany.

    Dingana 1: Tsy irin’i Farao ny hialanao amin’ny asany.

    Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah no hekeko teny handefasako ny Isiraely? Tsy fantatro Jehovah, KA TSY HALEFAKO NY ISIRAELY.

    Eksodosy 5:2

    Irin’i Farao ianao hiasa ho azy mandra-pahafatinao. Tiany ianao hitsemboka sy hiasa mafy mandra-pahafatinao. Mahafantatra i Satana fa maro amin’ny olona no tsy hahatratra mihitsy ny taonan’ny fisotroan-drononony. Ampahoriany amin’ny asa ireny amin’ny fiheverana fisotroan-dronono izay tsy hitranga mihitsy.

    Dingana faha 2: Avelan’i Farao hanompo an’Andriamanitra ianao fa tiany hitoetra eo aminy hatrany.

    Ary Farao niantso an’i Mosesy sy Arona, ka nanao hoe: Mandehana ianareo manao fanatitra ho an’Andriamanitrareo ETO AMIN’NY TANY.

    Eksodosy 8:25

    Eto amin’ity dingana manaraka ity, nanala ny vesatra sasany i Farao. Nanaiky izy hoe manompoa an’Andriamanitra ianao nefa tsy maintsy mitoetra eto Egypta ihany. Tsy maintsy mitohy manangana ny piramidan’i Farao ianao. Io karazana fanompoana io no antsoina amin’ny fomba mihaja hoe asa fanompoana laika. Manompo an’Andriamanitra nefa voafatotra amin’ny rafitr’izao tontolo izao amin’ny fahazoana vola!

    I Farao no manome alàlana raha afaka mankany am-piangonana ianao na hoe tsia. Raha mbola ao amin’ny taniny ianao dia olony ary izy no manapan-kevitra amin’ny zavaatra rehetra ataonao. Iza no manapan-kevitra hoe amin’ny firy ianao no mifoha ary amin’ny firy no matory. Izy no manapa-kevitra ny amin’izay ataonao isan’andro ao anatin’ny herinandro. Alahady irery ihany no avelany mba itsaharanao nefa matetika aza dia alainy aminao koa izany.

    Nahoana i Farao no miteny aminao mba hanompo an’Andriamanitra amin’ny Alahady tolakandro sy Alarobia hariva irery ihany? Nahoana ianao no tsy afaka manompo an’Andriamanitra koa ny Alatsinainy maraina? Nahoana i Farao no mifehy izay ataoko ny Talata, Alarobia, Alakamisy ary Zoma? Rehefa nitarika ny Zanak’Isiraely ho any amin’ny tany hay i Mosesy dia nanompo an’Andriamanitra malalaka tanteraka ry zareo.

    Izany no fanirian’Andriamanitra lehibe indrindra ho an’ny zanany tsirairay avy. Ny mampalahelo nefa dia vitsy no tonga amin’izany dingan’ny fahafahana tanteraka amin’i Farao sy izay misolo tena azy izany.

    Dingana

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1