Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Vakio Ny Baibolinao, Mivavaha Isan’andro... raha te hitombo ianao
Vakio Ny Baibolinao, Mivavaha Isan’andro... raha te hitombo ianao
Vakio Ny Baibolinao, Mivavaha Isan’andro... raha te hitombo ianao
Ebook81 pages54 minutes

Vakio Ny Baibolinao, Mivavaha Isan’andro... raha te hitombo ianao

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Ny lohatenin' ity boky ity dia mahatonga anao mieritreritra avy hatrany ireo ankizy kely mihira amin' ny fifaliana... Mamaky ny Baibolinao isan'andro ve ianao? Mivavaka isan' andro ve ianao? Hanokatra ny masonao amin' ilay boky tsy manan-tsahala antsoina hoe Baiboly ity boky ity. Hanokatra anao ho amin' ireo fahagagana izay tonga aminao isan'andro ihany koa izy rehefa mamaky Baiboly sy mivavaka isan' andro ianao. Ny famakianao baiboly isan'andro sy ny vavakao isan'andro anie ho fankafizana ho anao!

LanguageMalagasy
Release dateJun 8, 2018
ISBN9781641355988
Vakio Ny Baibolinao, Mivavaha Isan’andro... raha te hitombo ianao
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Vakio Ny Baibolinao, Mivavaha Isan’andro... raha te hitombo ianao

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Vakio Ny Baibolinao, Mivavaha Isan’andro... raha te hitombo ianao - Dag Heward-Mills

    TOKO 1

    Vakio Ny Baibolinao: Inona ny Baiboly?

    Ny Baiboly no tenin’Andriamanitra voasoratra. Mila mampivelatra fitoksiana amin’ny boky lehibe hatramin’izay ianao– dia ny Baiboly.

    fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ ny Soratra Masina dia tsy efan’ ny fisainan’ ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ ny sitrapon’ ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’ Andriamanitra no nitenenan’ ny olona araka izay nitondran’ ny Fanahy Masina azy.

    2 Petera 1:20, 21

    1. Ny Baiboly dia fanambarana ara-paminaniana.

    Ny Baiboly dia mampiseho ny natioran’Andriamanitra amintsika olombelona. Manazava ny niandohan’ny olombelona. Manome antony ny fisiantsika ety an-tany.

    Mampiseho ny hiafaran’ny zava-boahary rehetra. Ambon’izany, Mampiseho ny drafitry ny famindram-pon’Andriamanitra hamonjena antsika.

    fa fantatrareo voalohany indrindra FA NY FAMOAHAN-KEVITRY NY FAMINANIANA AO AMIN’ NY SORATRA MASINA dia tsy efan’ ny fisainan’ ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ ny sitrapon’ ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’ Andriamanitra no nitenenan’ ny olona araka izay nitondran’ ny Fanahy Masina azy.

    2 Petera 1:20, 21

    Rehefa nampitenenin’ Andriamanitra tamin’ ny razana fahiny ny mpaminany tamin’ ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; 2 dia amin’ izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,

    Hebreo 1:1, 2

    2. Ny Baiboly no vaovao mahafaly ny amin’ny famonjena.

    Ny filazantsara no vaovao mahafaly ny amin’ny herim-pamonjen’I Kristy ho antsika. Ny Baiboly no boky tokana mampiseho antsika ny fomba hamonjena ny olona. Ny Baiboly no mirakitra ny Hafatr’Andriamanitra ny amin’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra mino an’I Kristy, ary fahaverezana mandrakizay ho an’izay manohitra ny filazantsara.

    Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa.

    Romana 1:16

    3. Ny Baiboly no fampitandreman’Andriamanitra ho antsika.

    Ny Baiboly dia tsy adihevitra sy resaka teoria. Fanambarana misy fahefana ny zava-misy marina izy. Mahagaga ny fahamarinana voalaza ary tsy hiadian-kevitra. Ny hery manodidina ny Baiboly dia vokatry ny fahamarinana feno fahefana sy tsy azo iadian-kevitra.

    Ary amin’ izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika. Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin’ ny fahotana, HATAONTSIKA AHOANA NO FANDOSITRA, RAHA TSY MITANDRINA IZAO FAMONJENA LEHIBE IZAO ISIKA? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin’ ny voalohany, ary nohamafin’ izay nandre tamintsika kosa, sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony

    Hebreo 2:1-4

    4. Ny Baiboly dia feno teny misy aingam-panahy.

    Io no mahasamihafa ny Baiboly amin’ny oky hafa rehetra. Ny Baiboly dia milaza fa manana aingam-panahy sy hery manosika avy amin’Andriamanitra. Izany hoe, nosoratan’Andriamanitra tamin’ny tànan’olombelona izany.

    Izay soratra rehetra nomen’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ ny fahamarinana,

    2 Timoty 3:16

    5. Ny Baiboly dia hafatra mivantana avy amin’Andriamanitra.

    An’arivony no manolo-tena rehefa zarainan ny fahamarinana ao amin’ny baiboly. Novain’ny tenin’Andriamanitra aho rehefa nihaona taminy.

    FA VELONA SY MAHERY NY TENIN’ ANDRIAMANITRA KA MARANITRA NOHO NY SABATRA ROA LELA, ka manindrona hatramin’ ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ ny fo.

    Hebreo 4:12

    6. Ny Baiboly no fahendren’Andriamanitra ho amin’ny fanambinana antsika.

    Ny fomba hanambinan’Andriamanitra dia tsy amin’ny alalan’ny hevitra tsara na fahaizan’olona. Fa amin’ny alalan’ny teniny.

    Aoka tsy hiala amin’ ny vavanao ity bokin’ ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’ izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina.

    Josoa 1:8

    Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao. Fa aina ho an’ ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ ny nofony rehetra..

    Ohabolana 4:20-22

    7. Ny Baiboly dia fanazavana ny fiandohan’ny famoronana, ny tany, ny masoandro, ny volana, ny kintana ary ny planeta.

    TAMIN’ ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin’ ny lalina. Ary ny Fanahin’ Andriamanitra nanomba tambonin’ ny rano.

    Genesisy 1:1-2

    8. Ny Baiboly dia manome fahamarinana ny amin’ny ho avy, ny lanitra, ny helo sy ny mandrakizay.

    Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ ny fiainana

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1