Discover millions of ebooks, audiobooks, and so much more with a free trial

Only $11.99/month after trial. Cancel anytime.

Fahatokiana sy Fivadihana
Fahatokiana sy Fivadihana
Fahatokiana sy Fivadihana
Ebook192 pages2 hours

Fahatokiana sy Fivadihana

Rating: 0 out of 5 stars

()

Read preview

About this ebook

Na dia fangatahan’ Andriamanitra voalohany amin’ ny mpitarika aza izany dia vitsy tokoa ireo zavatra voasoratra mikasika an’io loha-hevitra io. Tsipihan’ i Dag Heward-Mills mazava tsara ireo fomba fanao tena manan-danja ao anatin’ ity boky ity izay mba hampitombi ny tsy fiovaovana ao amin’ ny fiangonana. Ny zavatra voarakitra ao amin’ ity boky ity dia tena mety sady mora ampiharina hany ka lasa fitaovana tsy azo ialana ho an’ ireo mpitondra fiangonana.

LanguageMalagasy
Release dateJul 28, 2016
ISBN9781613953693
Fahatokiana sy Fivadihana
Author

Dag Heward-Mills

Bishop Dag Heward-Mills is a medical doctor by profession and the founder of the United Denominations Originating from the Lighthouse Group of Churches (UD-OLGC). The UD-OLGC comprises over three thousand churches pastored by seasoned ministers, groomed and trained in-house. Bishop Dag Heward-Mills oversees this charismatic group of denominations, which operates in over 90 different countries in Africa, Asia, Europe, the Caribbean, Australia, and North and South America. With a ministry spanning over thirty years, Dag Heward-Mills has authored several books with bestsellers including ‘The Art of Leadership’, ‘Loyalty and Disloyalty’, and ‘The Mega Church’. He is considered to be the largest publishing author in Africa, having had his books translated into over 52 languages with more than 40 million copies in print.

Reviews for Fahatokiana sy Fivadihana

Rating: 0 out of 5 stars
0 ratings

0 ratings0 reviews

What did you think?

Tap to rate

Review must be at least 10 words

    Book preview

    Fahatokiana sy Fivadihana - Dag Heward-Mills

    Toko 1

    Inona no Ilàna ny Fahatokiana?

    Fa nahoana no mila ampianarina ny Fahatokiana sy ny Fivadihana? Mino aho fa napetrak’ Andriamanitra tato am-poko ity loha-hevitra ity noho ny antony maro. Voalohany indrindra, hitako tao anatin’ny Tenin’ Andriamanitra ny maha-zava-dehibe an’ity lohahevitra ity. Feno ny tantaran’ olona mahatoky sy mivadika ao anatin’ny Tenin’ Andriamanitra. Maro ny zavatra azo ianarana avy amin’ireo tantara ao anatin’ny Baiboly ireo.

    Ireo taona maro tao anaty minisitera ihany koa no nanampy ahy ho tonga saina ny amin’ireo olona mahatoky sy mpivadika. Tsapako loatra ny fiantraikan’izany teo amin’ny fiangonana sy ny minisitera. Ho zaraiko aminao ao anatin’ny takelaka vitsivitsy ny antony maromaro maha-zava-dehibe ny fahatokiana.

    Ireo Antony Fito Maha-Zava-Dehibe ny Fahatokiana

    1. Ny fahatokiana no toetra lehibe indrindra takiana amin’ny mpanompon’ Andriamanitra.

    Ny olona tsy manana traik’ efa dia mety hilaza fa ny olona izay manana fanomezam-pahasoavana be indrindra no tena natao hiasa ao amin’ny minisitera.

    Ny traik’ efa kely izay ananako indray anefa no mampiseho fa ny olona mahatoky sy marina ao am-piangonana no tsara atao mpitarika.

    Mahafinaritra sy Manaitra !

    Ny olona izay tsy manana traik’ efa firy dia mety hieritreritra fa ny rahalahy izay mahafinaritra ihany no tsara manao Pasitera. Mety hieritreritra ihany koa izy fa ireo izay mahay mandaha-teny ihany no tsara manao mpitory teny. Aza manao izany fahadisoana izany. Ny Baiboly dia mampianatra antsika fa ny zavatra lehibe indrindra takiana amin’ny mpitarika dia ny fahatokiana fa tsy zavatra hafa.

    ... ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky.

    1 Korintiana 4:2

    Manana Pasitera maro mahafinaritra miara-miasa amiko aho. Maro amin’izy ireo no tsy dia mahafinaritra loatra, tsy manaitra, ary tsy dia manana fanomezam-pahasoavana mazava. Kanefa ny fotoana dia nampiseho fa izy ireo no tena fanomezana tsara indrindra nomen’ Andriamanitra ahy sy ny fiangonana.

    2. Hiady amin’ilay andry faha-dimy.

    Tsy ela akory izay tao anatin’ny minisiterako no nahitako fa tena manam-pahaizana manokana amin’ny fanapotehana ny fiangonana avy ao anatiny ny devoly. Raha mpanompo tsara ianao, voaantson’ Andriamanitra, ary manao ny tokony hatao rehetra, dia tsy ho afaka ny hamely anao avy ety ivelany mihitsy ny devoly. Araka ny filazan’i Jesosy hoe :

    ...fa ho avy ny andrianan’izao tontolo izao nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.

    Jaona 14:30

    Ho hitanao fa tsy hahita fomba hamonoana anao avy aty anatiny mihitsy Satàna. I Jesosy dia milaza fa na tonga aza ny andrianan’izao tontolo izao, dia tsy hanana fomba hanapotehana Azy. Maro ireo olom-boahosotra izay tafiditra ao anatin’izany. Tsy mahita fomba handresena azy ireo mihitsy Satàna dia voatery mampiasa olona avy ao anatiny. Mpamadika (Jodasy) no nampiasainy hamely an’i Jesosy.

    Tsaroako raha namaky ny tantara-na jeneralin’ny tafika iray aho, izay nihodidina vohitra iray mba hambabo azy. Io vohitra io dia tena voaaro mafy mihitsy, misy rindrina sy vavahady izay sady avo no lehibe. Dia nohodidinin’ilay tafika ilay vohitra satria efa vonona ny hamely azy izy.

    Dia nanatona ny naman’ilay jeneraly anankiray ary nanontany azy hoe : Azafady tompoko, iza moa no eritreretinao hamotika ny fiarovan’ ity vohitra ity ? Tsy mbola nisy mihitsy teo amin’ny tantara nahavita izany na iray monja aza.

    Dia nitsiky ilay jeneraly ary namaly hoe: Ny andriko faha- dimy no hianteherako hanatanteraka izany.

    Dia liana be ilay namany ka nanontany hoe : Inona ilay andry faha-dimy ? F’angaha moa tsy efatra ihany ny isan’ny andry hanananao ?

    Tena manana andry faha-dimy tokoa aho hoy izy namaly.

    Dia nanontany ilay lehilahy hoe : Hay ! Hitako amin’izay! Komando manokana ve izany sa andiana miaramila vao hafarana amin’ny fiaramanidina ?

    Hanafika avy ao Anatiny Aho

    Dia nihomehy ilay jeneraly : Tsy izany mihitsy. Ireo mpitsikilo, ireo mpiasa, namana, ary mpanohana izay efa ao anatiny ao no andriko faha-dimy. Mahandrasa fotsiny ianao fa hovohainy avy ao anatiny ireo vavahady lehibe ireo dia hihazakazaka hiditra ny miaramilako.

    Io no fomba tokana azon’ny fahavalo ampiasaina mba hanapotehana ny minisitera izay sady mahomby no manao ny tokony hatao. Tsy maintsy avy ao anatiny. Ireo mpivadika, mpihatsaravelatsihy, mpiroaroa lela, ary ireo olona tsy faly amin’ny minisitera no ao anatin’izany andry faha-dimy izany. Raha avela hamotika araky ny fahaizany ireo olona ireo dia tena ho vita ny amin’ilay fiangonana.

    Nanana Mpiara-miasa izay Nivadika Tamiko Aho

    Tsaroako taona maro lasa izay, raha nanomboka ny minisiterako aho, dia niaina izany hoe ahoana ilay manana mpiara-miasa mivadika aminao izany. Na dia efa fantatry ny rehetra amin’ny fomba ofisialy aza fa izy dia tanan’ an- kavanako, dia tsy natoky ahy mihitsy izy sady nimonomonona momba ahy foana.

    Nivadika ho toerana fihaonan’ireo izay tsy faly ao am- piangonana ny tokantranony. Isaky ny mivory izy ireo dia miady hevitra ny momba ahy ary manakiana ahy foana. Misy fotoana izy ireo, miresaka mikasika ny fomba fitoriako teny. Misy fotoana, miresaka momba ny fisotroako rano eo am- pitoriana teny, izy ireo. Ny sasany amin’izy ireo indray niteny hoe tsy mahafinaritra, hono, aho. Fa nasehon’ny Tompo ahy daholo ireo zavatra rehetra ireo. Dia nivavaka aho, nanontany ny Tompo ny tokony hataoko.

    Dia hoy Andriamanitra tamiko hoe : Esory io lehilahy io.

    Dia hoy aho hoe : inona no tianao tenenina Andriamanitra, hoe tokony hiala ato am-piangonana ve izy ?

    Dia hoy ny Tompo hoe : izay indrindra ! Roahy izy fa raha tsy izany dia sady tsy hahita fiadanana no tsy hitombo mihitsy ny fiangonana.

    Dia niantso fivorian’ny loholona tao am-piangonana aho. Hoy aho tao anatin’ilay fivoriana : Fantatro fa tsy manohana ahy intsony rahalahy X. Feno fangidiana sy fitsikerana izy.

    Dia nitodika tamin’ny rahalahy X aho : Fantatro fa tsy matoky ny fitantanako intsony ianao. Izaho no nampianatra anao. Izaho no nahalehibe anao. Ary ankehitriny dia efa diso lehibe ianao ka tsy afaka ny hijanona eo ambanin’ny fiadidiako intsony.

    Dia nanontaniako izy hoe : araka ny hevitrao, inona no tokony hataontsika ?

    Dia hoy ilay rahalahy hoe : Handeha hitady vahaolana.

    Kanefa ny Tenin’ Andriamanitra izay nasehon’ Andriamanitra ahy tao an-tsaiko dia ny hoe :

    Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, eny hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.

    Ohabolana 22:10

    Dia niakatra ny feoko sady nanondro ilay mpiara-miasa tamiko aho : Fantatrao ary fantatro tsara fa tsy hety izany. Tsy matoky ahy intsony ianao.

    Dia notohizako hoe : Masin’andro anio dia esoriko aminao daholo ny andraikitrao ato am-piangonana.

    Dia nihiaka izy hoe : Ahoana ? Dia niteny izy fa mbola ho avy aty am-piangonana na dia tsy manana andraikitra aza.

    Tsy Maintsy Miala ny Fiangonana Izao dia Izao Ianao!

    Nefa, hoy aho taminy : Tsia ! Tsy maintsy mandeha ianao! Tsy namanay intsony ianao. Miteraka fandravana fotsiny ny fisianao ato am-piangonana.

    Lazaiko aminao marina fa tsy moramora ny mandroaka ny namanao sady mpiara-miasa aminao aman-taonany. Fa tsy maintsy natao. Ny Baiboly dia milaza fa rehefa tsy nifanaraka intsony i Abrahama sy i Lota dia nasainy nandeha toeran-kafa izy !

    Hoy Abrahama taminy : Raha tafasaraka isika dia hisy ny filaminana ary afaka ny hitohy ny asan ’Andriamanitra.

    Ny olona mpivadika dia miteraka korontana, fifankahalana, ary fimonomononana. Ireo fihetsika izay mampiseho fivadihana ireo dia azo oharina amin’ny setroka izay mameno ny trano iray manontolo. Ny fomba tokana hanesorana ny setroka dia tsy misy afa-tsy ny famonoana ny afo.

    Raha te-hanana fiangonana lehibe, dia mila manompo amin’ny fitiavana sy firaisan-tsaina. Raha toa ka tsy manana firaisana isika dia aleo tsy mihatsaravelatsihy. Hitanao, izaho dia tena mandrisika ny olona hiala ato amin’ny fiangonako raha toa ka tsy miombom-po amiko izy.

    Izay tsy momba ahy dia manohitra ahy...

    Matio 12:30

    Raha azoko atao aza ny miangavy anao mba handeha, dia hataoko izany. Tsy misangisangy amin’io resaka io mihitsy aho. Ary tsy mampaninona ahy akory ny mandoa ny saran-dàlanao sy ny sakafo ho haninao eny an-dàlana rehefa mandeha ianao! Amin’izay fotona izay mantsy dia ireo izay mifankatia sy mifampatoky ihany no sisa miara-miasa sy manohy ny asa.

    Esory ny Mpihatsaravelatsihy

    Tsy mahay mihatsaravelatsihy aho. Tena tsy haiko fotsiny tsotra izao. Saingy feno mpihatsaravelatsihy ao am-piangonana. Milaza izy fa tia anao ary manohana anao, fa ny tena marina dia mankahala anao am-po izy.

    3. Mba ho feno ny fitiavan’Andriamanitra ny fiangonana

    Ny herin’ny fitiavana, firaisana, ary ny fiaraha-miasa no tokony hampandeha ny minisitera.

    Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.

    Jaona 13:35

    Mila mampiseho an’io fitiavana resahin’i Jesosy io ianao raha te-ho mpitarika mahomby. Ny fitiavana no manintona ny olona. Raha hitany fa milomano ao anatin’ ny fifankatiavana ny mpitondra dia voasintona ny olona. Tsarovy mandrakariva fa tsy jamba akory ny olona ao am-piangonana, ary tsy marenina ihany koa. Tsapany ny tsy firaisan-tsaina sy ny tsy fifanarahana rehefa mitranga izany.

    Ny ondry tsy misotro rano raha tsy eo amin’ny rano izay tony

    Ny zavatra iray izay tokony ho fantatry ny Pasitera mikasika ny ondry dia ny hoe eo amin’ ny rano tony ihany izy no misotro rano. Tsy manatona mihitsy ny ondry raha toa ka misamboaravoara ny rano. Matahotra izy sao misy voay izany rano izany !

    ...mitondra ahy eo amin’ny rano fialan-tsasatra izy.

    Salamo 23:2

    Raha toa ka misy hafetsifetsena sy fiahiahiana ao amin’ny fiangonana dia raiki-tahotra ny mpiangona ary dia miala lavitra.

    4. Mba hananana ekipa sady lehibe no mahomby

    Tsy mahavita zavatra betsaka raha irery ny Pasitera. Toerana iray hatrany no afaka hisy azy. Voafetran’ny heriny ny fahafahany manompo.

    Noho izany, izay rehetra te-hampitombo sy hahita vokatra eo amin’ny asa fanompoany dia tsy maintsy mianatra miasa miaraka amin’ ny olona maro. Ireo olona ireo ilay ekipa resahiko. Izao anefa, tsara kokoa ny miasa irery noho ny miasa miaraka amina ekipa tsy mahatoky, soren- dava, mizarazara, ary mpanohitra. Ny tena marina, tsy afaka ny hanana ekipa mahomby miaraka amin’ olona toy izany ianao. Fantatro mihitsy fa nahavita ny zavatra rehetra nataoko aho noho ilay ekipa miara-miasa amiko.

    5. Mba hananana fiangonana goavana

    Amin’izao fotoana hanoratako izao dia misy fiangonana Lighthouse maneran-tany - Ghana, Afrika Atsimo, New York, ary Suisse, raha tsy hanonona afa-tsy ireo aho. Ireo fiangonana ireo dia ao anatin’ny tamba-jotra izay manana fahatokiana ny foiben’ny fiangonana ao Ghana. Matetika ny olona manontany ahy hoe ahoana no fomba hampandehananao fiangonana amin’ireo toerana isan-karazany ireo ? Ahoana no fomba hanarahanao maso azy ireo?

    Miankina tanteraka amin’ny fahatokiana ny fampandehanana azy ireo. Pasitera izay mahatoky tanteraka amin’ny Tompo, amiko, ary amin’ny jery lavitry ny Lighthouse no mitondra azy ireo.

    Raha tsy misy ny fahatokiana dia handalo faharavana foana ny tamba-jotra iray na ny anaram-piangonana iray. Matetika mizarazara ho vondrona madinika na zana- piangonana izy ireo.

    Nanjavona ny fiangonan’izy ireo

    Tsaroako ny tantaran’ny fiangonana iray izay potika noho ny tsy firaisankina. Niseho ireo voan’ny fivadihana taoriana kelin’ny ezaka famoriam-bola natao tao amin’ny fiangonana ao an-toerana. Vokatr’io tsy fifanarahana io dia nametra-pialàna ilay Pasitera ary nanangana ny fiangonany. Tezitra mafy loatra izy hany ka naveriny avokoa ireo vola voaangona rehetra. Gaga be daholo ny mpiangona hoe nahoana ny vola izay nomen’izy ireo no averina aminy indray.

    Dia nanala-baraka ny anaram-piangonana sy ny mpanompo lehibe tao ilay Pasitera. Mazava ho azy

    Enjoying the preview?
    Page 1 of 1